♦ Nosamborina androany maraina tao amin'ny trano fonenany i Sareraka. Izy no olona faha-fito voasambotra, voarohirohy amin'ny voalaza fa fikasàna hamono ny filoham-pirenena... ♦ Ho tonga anio tolak'andro eto Madagasikara ireo vaksiny "Johnson and Johnson" avy amin'ny fanjakàna Amerikàna, daozim-baksiny maherin'ny 300 000 izy ireto... ♦ Totoafo amin'izao ny hetsika iadiana amin'ny asan-dahalo any amin'ny Faritra Melaky sy Menabe, hiova tsikelikely ho ZDS ilay andian-tafika manokana mampandry tany any an-toerana hoy ny kômandy mpitarika izany...
♦ Nadiso ny vaovao niparitaka ny orinasa Madagascar OIl fa namatsy vola amin'ny voalaza fa fikasàna hifofo ny ain'ny filoham-pirenena. Nanao fanambaràna momba izany ny mpitantana ny orinasa... ♦ Niakatra fampanoavana avy hatrany omaly, Ramatoa Clémence Raharinirina, taorian'ny fampiantsoana azy teny amin'ny Polisy, mikasika ny fihetsiketsehan'ny mpivarotra amoron-dalana... ♦ Nanome famatsiam-bola fanampiny 7,5 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana ho fanampiana ireo olona tratra ny kéré any Atsimo...
♦ Manaratsy endrika ny asan'ny mpanao famotorana ny fivoahan'ilay horonan-tsary mirakitra ny fisavana ny tranon'ny iray tamin'ireo olona voasambotra, noho ny fikasana hamono ny filoha, hoy ny mpahay lalana... ♦ Tombanana ho tafakatra telo hetsy sy iray tapitrisa ny isan'ireo olona tratran'ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy, manomboka ny volana ôktôbra amin'ity taona ity. Nisy indray ny famatsiam-bola hiatrehana izany, nentin'ny Governemanta amerikana...
♦ Misedra fahasahiranana noho ny tsy fananan'asa vokatry ny fikatonan'ny sisin-tanin'i Madagasikara ny mponina any Nosy-Be, izay mivelona amin'ny sehatry ny fizahan-tany... ♦ Velon-taraina ireo mponina sy mpanjono monina manamorina ny ala honko amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy fa potehan'ireo mpifindra monina anaovana arina fandrehitra ny ala honko toerana hiveloman'izy ireo... ♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin'ny distrika Mahabo sy Morondava, Faritra Menabe...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco