♦ Notondra ny raharaha ady tany eny anivon'ny PAC ireo mponina eny amin'ny cité Ambohipo izay tratry ny fanararaotana nataon'ny tompon'andraikitry ny SEIMAD teo aloha... ♦ Niara-dalana tamin'ny fiverenan'ny fampianarana eny amin'ny Oniversite ny fitokonana samihafa. Miantso ny hampiatoana izany fotokonana izany ny birao nasionalin'ny SPATU... ♦ Ho tsapaina amin'ny lalao etsy amin'ny kianjan'Ambohidratrimo anio ireo mpilalaon'ny Barean'i Madagasikara miatrika fampivondronana...
♦ Manodidina ny 160 000 000 ireo zaza tsy ampy taona maneran-tany izay miditra amin'ny sehatry ny asa, ho an'ny taona 2020. Marihina anio ny andro eran-tany iadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona... ♦ Nanome toky ny hanatsara ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny filohan'ny HCC Rakotoarisoa Florent... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ministry ny raharaham-bahiny momba ny Nosy malagasy ny antoko Otrikafo. Sarotra ny hahazoana ireo nosy ireo raha amin'izao hoy Me Ôlala...
♦ Hohatsaraina ny fomba fitsarana ny voka-pifidianana, hoy ny Filoha vaovaon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Tontosa androany teny Ambohidahy ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filohan'ny HCC teo aloha... ♦ Hanao fanadihadiana parlemantera sy hampiantso ny Minisitry ny Fitsarana ny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, momba ilay raharaha ady tany eny Antanandrano, hoy Andriamatoa Naivo Raholdina. Nidina ifotony teny an-toerana androany ity Solombavambahoaka ity...
♦ Efa manomboka mandray karama ireo mpiasa amin'ny Oniversite izay nahavita ny "digitalisation", isan'izany ny any Fianarantsoa, ary efa tonga any Mahajanga ihany koa ny taratasim-bolan'ireo mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversite... ♦ Hahemotra ho amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, eny Tsaralalana na ny ENMG...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco