♦ Niabo ny ezaka vitan'ny Fanjakàna teo amin'ny lafiny fampidiran-ketra na teo aza ny krizy natrehana araka ny tatitry ny asa vita nataon'ny Governemanta nanoloana ny solombavambahoaka... ♦ Tsy ho tratran'i Madagasikara ny fanamby voafaritra ao amin'ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy ODD andiany fahaenina, izay kasaina ho tratrarina amin'ny taona 2030... ♦ Nitokona nanomboka androany maraina ny mpiasan'ny kaominina andrenivohitra any Moramanga...
♦ Nofaritana ho 4,2% ny fiakaran'ny harin-karena faobe eto amintsika. Ezahina hotazomina 6,2% ny fisodrotan'ny vidim-piainana amin'ity taona 2021 ity... ♦ Hivoaka mandritra ny C.I.T na ny kaonferansa iraisam-pirenena momba ny asa, izay tanterahina amin'izao fotoana izao ny antontan-kevitra farany mikasika ny vahaolana na ny fandraisan'anjara nentin'ny OIT, manoloana ny fisian'ny Covid-19... ♦ Hanomboka ny fanamboaran-dalàna maromaro any amin'ny faritra atsimo atsinanana, isan'izany : Vangaindrano mankany Midongy atsimo, hatrany Befotaka...
♦ Miabo ny zava-bitan'ny Governemanta nandritra ny tao 2020 sy ny tapany voalohany amin'ity taona 2021 ity, na teo aza ny valan'aretina Covid-19 sy ny krizy naterany. Samy nanambara izany androany na ny Praiminisitra na ny Minisitra nandaha-teny nanoloana ny Solombavam-bahoaka... ♦ Niampy dimy indray ireo marary lavon'ny Coronavirus teto Madagasikara, araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Niisa 16 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 587 natao...
♦ Hifanatrika amin'ireo solombavambahoaka manomboka anio ireo mpikamban'ny governemanta. Hisantàrana izany ny Praiministra tatitra... ♦ Tsy nisy ny dinika mialoha sy tatitra nataon'ny solombavambahoakan'i Betafo, nialohan'ny nanolorany ilay tolo-dalàna momba ny zom-pirenena, hoy ny mponina any an-toerana. Voalaza fa manahy mafy momba ny taniny izy ireo... ♦ Tsy eken'ireo mpanolontsaina avy amin'ny KOMBA ny fanomezana vola 10 000 000 000Ariary ho an'ny kaominina Antananarivo amin'ny alalan'ny FDL...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco