♦ Nanome toromarika amin'ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny sisin-tany ny Praiminisitra androany. Toromarika ho fisorohana ny fahatongavan'ilay Coronavirus mahery vaika "Variant Delta" eto amintsika... ♦ Nihena 34% ny halatr'omby teto Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana voalohan'ity taona ity. Zandary fito no matin'ny dahalo mitam-piadiana hatramin'ny volana jona teo, raha ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena, androany...
♦ Feno ny fepetra ka hiroso amin'ny Filankevi-pirenena ny sendikan'ny SECES... ♦ Manaitra ny tompon'andraikitra ny Solombavam-bahoaka IRD any Tsiroanomandidy. Taraiky amin'ny fampandrosoana mantsy, hoy izy, ny Faritra Bongolava raha oharina amin'ny faritra hafa...
♦ Nitokona nampitsahatra ny asany ireo mpiasa tsy raikitra eo anivon'ny CNAPMAD eny Ankorondrano, noho ny tsy fandraisana tambin-karama. Tsy nety namoaka ny laza adina BEPC voatonta ho an'ny Faritra Analamanga izy ireo, androany... ♦ Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny dinika tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ireo antoko sy fikambanana manohy ny fitakiana ireo nosy malagasy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo androany, nitatitra ny akon'izany...
♦ Mankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Salezianin'i Don Bosco, natomboka tamin'ny alalan'ny Sorona Masina ny fanokafana ny fankalazàna omaly 14 jolay... ♦ Misasaka ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena mila miroso amin'ny tena fampandrosoana mipaka mivantana amin'ny vahoaka amin'izay ny mpitondra hoy ny solombavambahoaka Paul Rahasimanana... ♦ Vonona hiatrika ny fanadinam-panjakàna BEPC amin'ny alatsinainy izao ny Cisco an'i Vohipeno...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco