♦ Voafidy ho Filohan'ny HCC mandritra ny fito taona Andriamatoa Florent Rakotoarisoa... ♦ Milaza ny handray andraikitra fa tsy hihanona intsony amin'ny fanambarana ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demôkrasia eto Madagasikara...

♦ Andriamatoa Florent Rakotoarisoa no lany ho Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Notanterahan'ireo mpikamban'ny HCC androany ny fifidianana momba izany... ♦ Mbola misy olona minia mitady lalana hidirana ny Faritra Analamanga. Hanamafy ny fanaraha-maso ireo fiara mpitatitra entana, noho izany ny mpiandro ny filaminana, hoy ny teo anivon'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy...

♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny volana mey ho avy izao ny vakisinin'ny Covid, avy amin'ny fandaharan'asa Covax. Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny ministra fa ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra ny vakisinin'ny Covid... ♦ Hanova ny fomba fiasany amin'ny fanatanterahana ny andraikiny ny SAMIFIN. Nahavita fihanianana omaly ny Tale jeneraly vaovao, Rajaoanarison Mamitiana...

♦ Mila mikatsaka fitoniana sy fanarenana ny toe-karena eto amin'ny firenena ny hery velona tsy an-kanavaka, hoy ny Kômity Miaro ny Soa Iombonana... ♦ Marary miisa 17 no lavon'ny Coronavirus ny talata lasa teo. Miisa 320 kosa ny tranga vaovao...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...