♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Hovoizina mandritra ny fankalazana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fizakan-tenan'ny vehivavy. Mifanotrona amin'ny vehivavy any Antsiranana ny vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina... ♦ Nahavita ny tatitra ho an'ny vahoaka ny solombavambahoaka TIM voafidy tao Antananarivo Renivohitra, tamin'ny sabotsy lasa teo...
♦ Azo atao tsara ny manatratra ny tahan'ny fitomboan'ny harin-karena faove 5% hoy ny Vondron'ny Orinasa eto Madagasikara... ♦ Tsy hihemotra fa hanohy hatrany ny fitakiana efa natombony ny mpanara-maso ny asa mivondrona ao amin'ny Sendika SIT... ♦ Andro faharoa amin'ny fitsidihin'ny Papa François any Irak ny androany. NIhaona tamin'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana ho an'ny finoana chiite...
♦ Nahazo alalana ny tatitra hataon'ireo solombavambahoaka TIM eny amin'ny Magro Tanjombato rahampitso. Entina eto ireo fanazavana samihafa momba io hetsika rahampitso io... ♦ Tamin'ny Ditrikan'i Morafenobe no nisy ny ivon'ilay andro ratsy tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Mbola mitohy ny oram-be amin'ny faitra maro, toy ny any Maintirano, Bongolava, hatrany Sofia...
♦ Efa nomena fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona notanana am-ponja tamin'ny raharaha nahamay ny trano fiasan'ny ONE teny Antaninarenina, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana... Mampitodika ny mason'izao tontolo izao, hanome tombony ny fiatrehana ny ho avin'ny ankizy sy ny fanarenana ny seha-panabeazana ny UNICEF, raha nanao tatitry ny fiantraikan'ny Covid-19 amin'ny seha-panabeazana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco