♦ Nodimandry teo amin'ny faha-79 taonany alina ny jeneraly Rasolosoa Dolin, hisy ny fanaovam-beloma farany azy ataon'ny tafika malagasy eny amin'ny lalana digue... ♦ Madiva hifarana ny 15 andro nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara. 87 ny olona matin'ny coronavirus tao anatin'ny 15 andro... ♦ Hihabado ny mpianatra malagasy raha mbola tohizina ny fakàna enti-mody any am-pianarana hoy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina laika...
♦ Nodimandry ny Jeneraly Rasolosoa Dolin... ♦ Nihaona tamin'ny Praiministra Ntsay Christian ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristtiana eto Madagasikara na ny FFKM... ♦ Manao antso avo amin'ny firongatry ny halatra lavanila manta ny Kardinaly Désiré Tsarahazana...
♦ Tsy mitsaha-miakatra ny tahan'ny fiaboan'ny fitiliana ny coronavirus eto Madagasikara, tranga vaovao 832 no hita tamin'ireo fitiliana 1.907... ♦ Nitokona an-dalam-be tamin'ny faritry ny toeram-ponenan'ny mpianatra teny Ankatso androan'ny ny mpiasan'ny Croua... ♦ Miantso ny manam-pahefana handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny halatra lavanila any amin'ny tapany atsimon'ny faritra atsinanana ny Evekan'i Toamasina...
♦ Mikasa ny hanao fombafomba ara-drazana any Vinany Nosivarika, ny fikambanan'ireo Tangalamena eto Madagasikara, manoloana ny fiparitahan'ny Coronavirus eto amintsika ankehitriny... ♦ Manambana hanao fitokonana ireo mpianatra ho mpitsabo miza-draharaha eny amin'ireo hôpitalim-panjakana ao an-drenivohitra. Manome 72 ora ny fanjakana izy ireo, handoavana ny tambikarama tsy voaloa...
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco