Olona manodidina ny 50.000 no handray anjara amin'ny fitsangatsanganana karakarain'ny mpanohitra, rahampitso eny Imerinkasinina. Efa milamina sy mirindra ny fandaminana rehetra. Ho rakotra mpitandro ny filaminana kosa ny ao Antananarivo sy ny manodidina rahampitso...
♦ Hifarana anio ny "Aero India 2021". Manatrika izany any Inde ny avy amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, mijery ihany koa ny ahafahana manampy ara-pitaovana ny miaramila malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tany... ♦ Hanangana toeram-pitsaboana fototra na CSB miisa 119 ny fanjakana malagasy. Iray isaky ny distrika farafahakeliny. Efa nametrahana vatofototra ny 90 amin'ireo nanomboka tamin'ny volana ôktôbra...
Ho entitra ny fitandroana ny filaminana eto Antananarivo sy ny manodidina rahampitso, ka hampitomboina ireo mpitandro ny filaminana eny an-dalambe hisorohana izay mety ho endrika fanakorontanana na fanararaotana na fandikan-dalana, hoy ny OMC Analamanga...
♦ Nandiso ny vaovao nivoaka tamin'ny RFI ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany, momba ilay raharaha volamena 73,5kg. Tsy marina, hoy izy, ny fanakanako ny fitohizan'ny fanadihadiana... ♦ Hisitraka vola 50 tapitrisa dolara i Madagasikara, ao anatin'ny 5 taona, hivarotany "entona carbone", izay hotrohan'ny atiala atsinanana. Vita sonia androany ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco