♦ Hindrahindraina loatra ny fitsidihan'Andriamatoa Macron eto Madagasikara, raha mitaha amin'ireo filoha hafa, hoy ny Pr Ralison Roger. Nambarany fa mbola hita taratra ny fanjanahana ara-tsaina, amin'ny fandraisana azy... ♦ Nampitaraina ny maro fa lafo loatra ny saran-dalan'ny Madagasikara Airlines amin'ny zotra anatiny. Nitondra fanazavàna momba izany ity kaompania an'habakabaka nasiônaly ity... ♦ Mitaky ny hampiakarana ho 1.200.000Ariary ny karama farany ambany ny Randrana Sendikaly. Mendrika izany ny mpiasa malagasy, amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fitantanana ny SADC hoy ny avy amin'ity vondrona sendikà ity...
♦ Fanakorontanana ara-politika, hikasàna hanonganam-panjakàna no ao ambadiky ny hetsika tany Toliara hoy ny fanambaran'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny filoha frantsay eto Madagasikara ny Cellule de crise " Diovy i Madagasikara". Mety hanao hetsika hanoherana izany izy ireo... ♦ Efa misy fidinany kely ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo ankehitriny. Mihena 200 ka hatramin'ny 500Ariary isaky ny kilao izany, ho an'ireo karazam-bary vao vokarina eto an-toerana... ♦Ahiana handamoka indray ny fampitsaharana ny ady any Ukraine...
• Ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Filoha Frantsay ny fitsidihana eny amin'ny Rovan'i Madagasikara... • Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny Filoha Frantsay eto Madagasikara, ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara... • Mikasa ny hikarakara fikaonan-doha hanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara indray ny Vovonana Vonjeo ny Fampianarana...
♦ Ny orinasa Green Mada Land no nahazo ny fifanarahana hanofa mandritry ny 50 taona azo havaozina ny Nosy Sakatia araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany... ♦ Anjaran'ny Faritra Anôsy indray no nisitraka ny fandaharan'asa Fijery Hafa ka vehivavy voafonja miisa 15 nahavita fiofanana momba ny zaitra tao amin'ny fonjan'i Taolagnaro no notoloran'ny Ministeran'ny Fampianarana teknika sy Fanofanana Arak'Asa mari-pahavitana fiofanana... ♦ Miditra amin'ny andrana ara-teknika tapany fahatelo ny zotra volomboasary miainga eo amin'ny La City Ivandry hatrany Ambatobe ny fitanterana an-tariby (TPC)...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco