Namoy ny ainy ny mpianatra iray tany amin'ny Oniversiten'i Toamasina, nandritra ny fifandonan'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana, omaly. Efa tamin'ny volana jolay tamin'ny taon-dasa anefa no naloan'ny fitondram-panjakana ny vatsim-pianarana, ary voarain'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina sy Antsiranana izany...
♦ Fisoroana ny Covid-19 : Hankalazaina isam-paritra ny andron'nty vehivavy 8 marsa amin'ity taona ity... ♦ Manambana hanao fitokonana ny mpisera-dia amin'ny fizahan-tany ao amin'ny faritr'i Vakinakaratra manoloana ny olana sedrain'izy ireo... ♦ Tokony hajaina ny soatoavina maha malagasy manoloana ny tsy fitovian-kevitra miseho lany amin'izao hoy ny CFM...
♦ Tsy azo hidirana ny Kianjan'Ambohijatovo, hoy ny Ben'ny tananan'Antananarivo Renivohitra. Tongotra mby an-dakana ny an'ny mpanohitra amin'ny tatitra hataon'izy ireo amin'ny sabotsy ho avy izao ka tsy mihemotra intsony... ♦ Nanolotra paik'ady amin'ny fandaminana ny fandoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra, ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony. Mitsipaka izany anefa ny mpianatra eny Vontovorona...
♦ Miantso ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na ny PAC, sendikan'ny mpiasan'ny fadintseranana, mba hikaroka ireo olobe, tompon'antoka tamin'ny fanondranana volamena tatsy Afrika Atsimo... ♦ Hihamafy ny hetsika fitakiana, hataon'ireo orinasa misahana ny fikojakojana ny lalana eto Madagasikara. Efa fito volana no vita ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena tamin'ny taona 2020, saingy tsy mbola azo ny vola hatramin'izao...
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco