♦ Mitaky firaisan-kina ny fanarenana ny toekaram-pirenena vokatr'izao valan'aretina Coronavirus izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Hentitra amin'ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus ny ao Moramanga... ♦ Manamafy ny tale jeneralin'ny ATT fa mbola miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny zotra nasionaly sy rejionaly miainga sy miditra an'Antananarivo, Toamasina voalohany sy faharoa ary Fianarantsoa...
♦ Tsy nahitana olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tamin'ireo fitiliana miisa 60 natao ny sabotsy tolakandro teo teto Antananarivo. Tranga roa vaovao kosa ho an'i Toamasina... ♦ Ho fantatra amin'ny alarobia izao ny valin'ny fanadihadiana momba ny vokatry ny fitiliana nivoaka ny alakamisy teo... ♦ Tsy hanan-kery manomboka anio amin'ny mitatao vovonana ny fahazoan-dalana mivezivezy hatramin'izay ho an'ireo mivoaka sy miditra amin'ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Matisatra Ambony...
♦ Miantso ny hampiatoana ny fampianarana sy ny hanemorana ny fidirana an-tsekolin'ny mpianatra ny Firaisamonimpirenena misehatra amin'ny fanabeazana... ♦ Misedra olana ara-tsakafo sy rano ny voafonja araka ny fitarainana voarain'ny Vaomieram-pirenena misahana ny zon'olombelona... ♦ Hifarana amin'ny fomba ôfisialy afaka herinandro ny fanavaozana ny lisi-pifidianana...
♦ Nampiahiahy ny fitondram-panjakna ny tsy fitovian'ny vokatry ny fitiliana ny Coronavirus navoakan'ny CCO sy ny OMS... ♦ Tsy mahagaga raha tsy mahomby ny ady amin'ny Coronavirus eto Madagasikara satria diso paikady ny fitondrana, hoy ny Solombavambahoakan'i Toamasina Roland Ratsiraka... ♦ Sekoly maro tao an-drenivohitra no tsy nahitana fampianarana omaly...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco