♦ Tafakatra 14 ireo narary namoy ny ainy eny amin'ny HJRA, vokatr'ilay tranga fahapoizinana ara-tsakafo faobe ny sabotsy teo. Nitombo isa koa ireo nampidirina hôpitaly eny an-toerana... ♦ Taranja telo no vitan'ireo mpiadina tamin'ny tapany voalohany amin'ny fanadinam-panjakàna CEPE manerana ny nosy ny maraina teo... ♦ Nahatratra 100 miliara Ariary ny teti-bidin'ny fananana nogiazan'ny Bianco tao anatin'ny efa-bolana voalohan'ity taona ity. Hitondra fanazavàna eto ny Tale Jeneralin'ny Birao mahaleontena iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nitohy alina ny fifampitifirana balafomanga eo amin'i Iran sy i Israel, izay efa ho adimy izao...

♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon faha-14 ireo Evekan'i Madagasikara mandritra ny Fivahinianana Masina any Vatican... ♦ Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay fahapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga ny sabotsy teo. Olona 13 hafa marary mafy, raha ny tarehimarika ôfisialy navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, omaly hariva... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ireo zandry zanaka amin'ny taona fahadimy anio talata. Mpiadina maherin'ny 570.000 no hiatrika izany manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Vao mainka miha-mafy ny ady eo amin'i Israel sy i Iran. Rava omaly ny tranobe misy ny foiben'ny fahitalavi-panjakàna iraniana IRIB ao Téhéran...

• Nihaona voalohany tamin'ny Papa Léon XIV androany ny Evekan'i Madagasikara... • Olona 9 tamin'ireo 39 notsaboina noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ny trano fandraisam-bahiny iray, no maty teny amin'ny HJRA... • Naneho hevitra ho an'ireo mikasa ny hanakantsakana ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonan'ny SADC, ny Praiminisitra Ntsay Christian androany...

♦ Natao hanampy ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny asany ny fihaonana eo amin'ny loholona sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana... ♦ Mbola azo atao tsara ny manarina ny orinasa JIRAMA raha tena atao laharam-pahamehana hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray nitranga teny Ambohimangakely omaly alahady, anatin'ny fanadihadiana hamaritana ny zava-nitranga nahatonga  izany ny tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...