♦ Efa eny amin'ny antenimieram-pirenena ny volavolana teti-bolam-panjakàna lasitra LFI-2026, mba hahafahan'ireo solombavambahoaka mandinika izany ara-potoana hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Docteur Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nijoro nilanja sora-baventy nitaraina amin'ny ambarany ho fisian'ny antsojay mahazo ireo fianakaviana 35 monina eny amin'ny Atsimo-Atsinanan'Andraisoro. Nambaran'izy ireo fa misy olona milaza ho tompon'ny tany ka mikasa haka io tany, efa nohajariany nandritra ny 60 taona io... ♦ Nidina ifotony nijery sy nanaraka ny fivoaran'ny asa fanamboarana ireo milina miisa 3, an'ny Jirama ny Fiadidiana ny Repoblika...
♦ Tsy mikasa ny hitsoaka any ivelan'i Madagasikara ny ministra teo aloha nisahana ny fanabeazam-pirenena Docteur Marie Michelle Sahondrarimalala. Efa misy ireo ministra teo aloha no tafavoaka any ivelany... ♦ Taorian'ny fiovan-dokon'ny vovonana IRMAR teny amin'ny antenimieram-pirenena, niala tao amin'ny vovonana Firaisankina ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Iray amin'ireo ministera tena nanaovan'ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy ampihimamba ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hoy ireo sendika eo anivon'ity ministera ity...
• Namoahana didy fandrarana tsy faha-mivoaka an'i Madagasikara, Ramatoa isany Rinah Rakotomanga sy i Michele Sahondrarimalala, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha. Fandrarana, noho ny taratasy avy amin'ny Tale Jeneralin'ny Bianco... • Niala tao anatin'ny Vovonana Firaisankina ny antoko TIM, araka ny fanambarana nosoniavin'ny Filoha Nasionaliny. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe naterak'izany androany, ny avy amin'ny mpikamban'ity antoko ity... • Nitaraina ny orinasa Star, momba ny hetra alain'ny fanjakana amin'ny vokatra vokariny. Niakatra telo avo heny, ka mahatrata 293 % io hetra io tao anatin'ny dimy taona, hoy ny fampitam-baovaon'ity orinasa ity androany...
♦ Namoaka ireo tanora nahavita fianarana tao aminy androany ny Ivon-toerana ambony Saleziana Don Bosco momba ny Filôzôfia ao Ankofafa, Fianaratsoa ISSaPhi SDB. Notolorana ny mari-pahaizana Licence ireo andiany nivoaka... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa ao anatin'ny 2 volana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery... ♦ Anjakan'ny teratany vahiny ny sehatry ny famokarana herinaratra eto Madagasikara hoy ny kômity iombonana ho an'ny fanarenana ny orinasa JIRAMA ka mila andraisana fepetra izany...
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco