♦ Manome vahana fanaovan-dratsy sy fiarovana olona ambony ny HCJ hoy ny solombavambahoakan'Arivonimamo. Noraisin'ity olomboafidy ity ohatra ny raharaha Boeing 777, izay mahavoarohirohy olon'ny fitondràna... ♦ Miantso dinika amin'ny Fanjakàna sy ny mpapiasa ny Fisemare, hampiakarana ny karaman'ny mpiasa amin'izao fidiran'ny mpianatra izao... ♦ Misy amin'ireo mpilalaon'ny Barea nanao lalao famaranan'ny CHAN farany teo no efa nisy nividy sahady hilalao any ivelany. Mpilalao roa hafa koa no efa tsiriritin'ireo klioba vahiny hanatevina ny ekipany... ♦ Mihamafy ny fifandonana eo amin'ny AFC/M23 sy ny Fanjakàna Congolais any Nord-Kivu...
♦ Nigadona eto Madagasikara alina ny kabeson'ny Ampanjaka Toeran'i Menabe sy ireo miaramila roalahy niaraka taminy. Hisy ny hetsika fanomezam-boninahitra eto Antananarivo anio... ♦ Hahazo "Bourse Professionnelle" isam-bolana ireo mpilalaon'ny Barea mandram-pahatongan'ny CHAN 2027. Noraisin'ny filoham-pirenena teny amin'ny Lapa-panjakàna Iavoloha izy ireo sy ny fianakaviany avy omaly... ♦ Ahiana ho dibo-drano Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pahavaratra noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera. Titra 42 no azon'orinasa sy olon-tsotra eny an-toerana hoy ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina...
• Hahazo “bourse professionnelle” isam-bolana ny mpilalaon'ny Barea, mandram-pahatongan'ny CHAN 2027, raha ny nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina androany, raha nandray ny Barea teny amin'ny Lapan'Iavoloha... • Ahiana ho dibo-drano Antananarivo Renivohitra rehefa fotoam-pahavaratra, hihena ihany koa ny voka-bary noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera... • Amin'izao herinandro mialoha ny fidirana izao ny ray aman-dreny vao mihazakazaka mampiditra mpianatra eny anivon'ireny sekoly tsy miankina ireny...
♦ Marary ny firenena. Miandry asa mivaingana ny rehetra manoloana izany. Isan'ny nivoitra tamin'ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny RARINY sy ny FIADANANA, manoloana ny fanamarihana ny iray volan'ny fihariana nanomboka androany... ♦ Nidina indray ny vidin'ny lasantsy sy ny gasoil eny amin'ny toby mpaninjara izany nanomboka androany voalohany volana septambra raha toa ka niakatra kosa ny solitany fandrehitra ; nihena 170 ariary/litatra ny gasoil... ♦ Hanomboka amin'ny alakamisy 4 septambra izao ny FIA hatao etsy amin'ny CCI Ivato. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana hoy ny tompon'andraikitra...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco