♦ Namafisin'ny eo anivon'ny EMMONAT fa tena tomon'antoka tamin'ilay resaka "cocktail molotov" ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo, nampahafantatra izany... ♦ Hirosoana ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base Tuléar, raha ny firesaky ny filoham-pirenena, omaly. Tsy hampanao sonia fifanarahana mamono ny Malagasy ny tenako hoy izy... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza manomboka rahampitso ireo solombavambahoaka an'i Madagasikara. Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna amin'ity taona ity...
♦ Nanome toromarika ny hamotsorana ny vadin'ilay kôlônely namoaka horonan-tsary filazàna ny raharaha kolikoly misy eto Madagasikara ny filoham-pirenena, alina, tamin'ny fandaharana manokana... ♦ Nolavin'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina marin-drano ny filazana fa nihemotra ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Very laharana 13 isika, araka ny tatitra navoakan'ny Reporter Sans Frontières... ♦ Niaka-bidy avokoa ny solika eto Madagasikara nanomboka alina. Fisondrotana 200 Ariary/litatra, araka ny fanovàna isam-bolana natao nanomboka tamin'ity taona ity...
♦ Ambana ho an'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny firoboroboan'ny teknôlôjian'ny fifandraisana ka nipoiran'ny saina voatran'olombelona hoy ny mpanao gazety Lova Rabary... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina rahampitso... ♦ Sarotra ny hanafoana ireo taxi-bicyclette izay efa miasa ao an-drenivohitra ao fa ny faritra hiasany no tokony ho ferana, hoy Mahery Miller, mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mifanentana hanao hetsika goavana anio sabotsy ireo antoko pôlitika any Mali...
♦ Mihemotra ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Very toerana 13 isika raha ampitahaina ny laharana tamin'ny taona-dasa... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika, hoy James Ramaroson, filohan'ny OJM teo aloha... ♦ Tsy afa-bela fa voatazon'ny fitsaràna ambony, ny 30 volana sazy mihantona, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly sy ny filohan'ny Seces sampana Antananarivo... ♦ Efa tafapetraka eo amin'ny tafon'ny Chapelle sixtine, hanaovana conclace ny cheminée hamantarana ny voka-pifidianana Papa...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco