• Tany amin'ny 620 km atsinanan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay andro ratsy miforona ao atsinanan'ny Faritra Diana, ny maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'Antsiranana sy Antalaha izy rahampitso maraina... • Afaka miverina ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an'i Madagasikara sy i Comores, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra, any Mahajanga... • Tena ilaina, hoy ny sendikà SIM, ny fampifanarahana ny rafi-pampianarana amin'ny filan'ny orinasa...

• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny kristianina katolika hamonjy ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Nanome toromarika ireo hery fiarovana sy filaminana ao Toamasina ny EmmoNat, hisamborana faran'izay haingana ireo nanatsatoka antsy an'i Tahiana...

• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny Andro Nasiônaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2 hatao any Morondava... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana anatin'ny tetikasam-panjakana, ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Misy andro ratsy andalam-piforonana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina ho lasa rivodoza ato anatin'ny 48 ora izy io...

  • Miteraka voka-dratsy ara-batana sy ara-tsaina, ary ara-toekarena ny tsy fahaizana mifehy tambazotran-tserasera samihafa, hanofana mpianatra hisorohana izany ny ONG H.D.A...
  • Hiara-hiasa amin'ny sehatra marolafy ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fikambanana Skoto miisa valo eto Madagasikara...
  • Nanantanteraka fivoriana maika ireo tompon'andraikim-panjakàna tao Toamasina, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay nafamàna tato ho ato tany an-toerana...
  • Manantena ny fiavian'ny orana hanampy azy ireo amin'ny fifehezana ny doro ala, any amin'ny faritra avaratr'i Japon, ireo mpamonjy voina any an-toerana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...