• Hivoaka ny Lapan'i Iavoloha indray ny filankevitry ny Minisitra amin'ity herinandro ity. I Mahajanga no handray izany, araka ny nampahafantarina omaly... • Haverina hodinihina eo anivon'ny Filankevitry ny tanana, ny momba ny orinasa SMGD, mitantana ny fidiram-bolan'ny Kaominina Antananarivo... • Samy manana ny heviny ireo mpanabe momba ny fanovana ny laza adina CEPE ho isaky ny CISCO. Misy ireo milaza fa hampidina ny fari-pahaizan'ny ankizy izao fanapahan-kevitra izao...
• Nify efatra an'ilay tovolahy kely zanaky ny tompon-trano voatafika teny Ambodiafontsy, no nongotan'ireo jiolahy nandritra ilay fanafihana, ny alakamisy teo. Efa niaiky ny helony izy ireo, nandritra ny fanadihadiana... • Tafakatra 79 miliara Ariary ny vinavinan'ny teti-bola hampiasain'ny Kaominina Antananarivo, ho an'ity taona 2025 ity. Handalo ny fankatoavan'ny Mpanolotsain'ny tanana ny momba izany... • Tsy resaka bozaka loatra, fa ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona no anisan'ny tsy hahazoan'ny Kianja Mahamasina “homologation”, hoy ny K2HB...
• Natao veloma farany teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany, ny nofo mangatsiakan'i Haja Ramaherijaona, Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy... • Misy ireo hetra tsy miditra ara-dalana ao amin'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Olana tsy hahazoan'ny kianja Barea Mahamasina fankatoavana avy any amin'ny CAF, ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona, hoy ny K2HB...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco