• Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny JIRAMA rahampitso, ka hifamotoana eny Soanierana... • Mbola mitohy ny hetsi-pitakiana ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ka hetsika roa samy hafa no nataon'izy ireo androany... • Nanamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana an'i Madagasikara ny antoko AREMA...

♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...

♦ Vita ny fandikan-teny vaovao ny Baikoly Masina Katôlika. Natolotra sy nampahafantarina omaly teny Antanimena izany Baiboly vaovao izany, izay niavaka tamin'ny natonta hatramin'izay... ♦ Hanangona porofo fiampangàna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ny Fanjakàna Malagasy, manoloana ny raharaha hanenjehana azy atsy Maorisy. Nanazava ny momba izay ny ministry ny fitsaràna ny sabotsy  teo... ♦ Mpandraharaha teratany vahiny roa no voasambotra niaraka tamina vola 2 miliara Ariary, saika entina hanongànana sy hamonoana ny filoham-panjakàna. Naharitra ora 12 ny fisavàna, nahatrarana ireo olona sy volabe ireo...

♦ Efa nampidirina ao amin'ny teti-bolam-panjakàna lasitra 2026 (LI-2026) ny hetahetan'ny vahoakaa sy ny sehatra tsy miankina, mifanaraka amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hiverina amin'ny laoniny ny fampianarana amin'ireo sekolim-panjakàna manomboka amin'ny alatsinainy 10 novambra 2025 izao ary tsy maintsy ho vita ara-potoana ny fandaharam-pianarana... ♦ Ezahina hampidirina anatin'izao fivoriana ara-potoan'ny antenimiera izao ny volavolan-dalàna momba ny fisitrahana zo hahazo antontam-baovao sy vaovao eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakàna...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...