• Ho fantatra afaka antsasakadiny eo, ny anaran'ny Praiminisitra vaovao... • Mbola tsy tafiditra tao Ambohijatovo aloha hatramin'ny androany, ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra. Mpanao gazety iray kosa no naratra nandritra ny fifanjevoana teny Anosibe... • Hanomboka rahampitso ny fitaterana ireo milina mpamokatra herinaratra izay efa nijanona ela tao Toamasina...
♦ Mbola mangingina ny ao an-drenivohitra ny tapany maraina teo. Mikasa ny hanohy ny hetsi-pitakiana ireo tanora anatin'ny Gen Z. Mbola voadidina mpitandro ny filaminana hatrany eny Ambohijatovo sy Analakely... ♦ Naneho ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Nonce Apostolique, solontenan'ny Papa eto Madagasikara. Miaraka mifampizara ny mafy sy ny fijaliana ary ireo olana manahirana ankehitriny ny Eveka hoy i Mgr Thomasz Grysa... ♦ Niova indray ny vidin-tsolika ampiharina eto Madagasikara amin'ity volana oktobra ity. Nisy ny fidinana amin'ireo karazan-tsolika sasany, nisy koa anefa ny nisondro-bidy...
♦ Nahazo sanctuaire ny any Belo-sur-Tsiribihina. Notokanana sy notsofindrano... ♦ Vao mainka mafàna ny toe-draharaha-pirenena. Nidina an-dalambe ihany koa ireo mpomba ny fitondràna ny faran'ny heriandro teo. Mbola nosakanana, tetsy ankilany, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana tarihin'ny Gen Z... ♦ Ankolafi-kery maro no sabotsy teo no nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha, manoloana ny toe-draharaha-pirenena. Tokony ho mpiasam-panjakàna no ho Praiministra hoy ny sendikàn'ny Administrateur civile... ♦ Antenaina fatratra ny hahitana fifanarahana momba ny ady any Gaza. Hisy ny dinika eo amin'ny Hamas sy ny delegasiôna Israeliana any Ejipta anio...
♦ Manokatra varavarana hihainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto Madagasikara ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana no tanjona... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanome lanja ny filaminana, hampitsahatra ny fihantsiana samihafa ny EMMONAT, ivondronan'ny Zandary, ny Polisy ary ny Tafika. Miantso ny rehetra ho tony manoloana ny toe-java-misy iainan'ny firenena ankehitriny... ♦ Miantso ny mpikambana rehetra manerana ny nosy hanatevin-daharana ny hatsika ataon'ny tanora amin'izao fotoana izao ny RMDM. Takian'izy ireo ny hamotsorana an'ireo voasambotra noho ny fanehoany ny heviny...
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco