• Nisy ny fivoriana notarihan'ny Praiministra momba ireo fitaovana mamokatra herinaratra tavela ao Toamasina, hamahàna ny olana misy amin'izao. Nanome fe-potoana hamoahana izany Andriamatoa Ntsay Christiana...
  • Hisokatra anio ny taom-piotazana litchi 2024-2025. Somary nihena io vokatra io ho antsika eto Madagasikara tamin'ity taona ity, noho ny lafiny toetr'andro...
  • Misy teratany vahiny nahazo ny tany rehetra manamorona ny farihin'Andranotapahina. Voaroaka ihany koa ireo mpitrandraka vato madinika an-jatony eny Ambavarano-Ambohidratrimo... 
  • Nivory maika ny ligy arabo sy ny fiaraha-miasan'ny finoana silamo, manoloana ny toe-draharaha iraisam-pirenena, voaresaka ny adin'ny Israelianina any amin'ny faritr'i Gaza sy i Liban.

  • Nihemotra ny fahatongavan'ireo biletà tokana sy ireo antontan-taratasy saropady hampiasaina amin'ny fifidianana. Tsy tonga omaly ny fiaramanidina tokony hitondra izany...
  • Mitaky ny mangarahara amin'ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2025, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena CCOC... Namoaka fanambarana izy ireo omaly...
  • Mety hisy andro ratsy hiforona any afovoan'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...

  • Mitaky ny mangarahara amin'ny zo ananan'ny olom-pirenena hahazo vaovao sy hiady hevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana 2025, ny CCOC...
  • Mety hisy andro ratsy hiforona any afovoan'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vinavinan'ny Météo...
  • Tsy afa-misaraka fa mifameno ny fanabeazana sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco...

♦ Tsy hanakana ny fizoran'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM, raha nanao fanambarana. Havadika ho lalana hiarovana ny firenena izany hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hamerenana ny vola nesorina tamin'ny tambin-karamany hividianana 4x4 ireo solombavambahoaka sasany. Nampiaka-peo momba io resaka io Andriamatoa Pety Rakotoniaina, avy amin'ny Distrika Ikalamavony... ♦ Mametra-panontaniana amin'ny fitondràna ny Randrana Sendikaly, manoloana ny filazàna fa tsara tantana ny CNaPs ankehitriny. Efa tafaverina ve ireo volan'ny mpiasa nampindramina tao, ho ity vondrona sendikà ity?... ♦ Nitrangàna horohoron-tany in-droa misesy tany amin'ny faritra atsimon'i Cuba omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...