♦ Mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny fikambanana Vondron'ny Malagasy manohana ny Filoha, mba tsy hifanilikilika... ♦ Tao aorian'ny Forum Afrikana ho an'ny infirmiera natao teto amintsika dia voaasa handray anjara amin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenen'ny ECSA-CONM faha-16, isika Malagasy... ♦ Voafidy indray hitantana ny Tranoben'ny Tantsaha Nasiônaly mandritra ny dimy taona ho avy, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline...
♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro. Milaza ny tsy handray baiko avy amin-dRamatoa Tale Jeneraly intsony izy ireo... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tetsy Mamory Ivato, ny mpianatra nahavita fianarana teny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona... ♦ Hotontosaina ny 4 hatramin'ny 6 nôvambra 2024 ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja ady totohondry...
♦ Nijery ireo sakana amin'ny famahana ny olan'ny rano ao andrenivohitra sy any amin'ny faritra, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly... ♦ Notoloran'ny fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National, ny Tale Jeneralin'ny FEM, Andriamatoa Carlos Manuel Rodriguez... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy any amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny andriany “Fandresena 2024”, mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana andiany faha-45 sy andiany manokana 26...
♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco