♦ Tafapetraka ny fitoriana fandavana ny fanapahan'ny OMC hoy ireo nanao fangatahana amin'ny hetsika Ambohijatovo anio. Tsy mihemotra ireo mpanolon-tsainan'ny tanàna nametraka izany. Nampitandrina ny OMC fa handray fepetra hentitra amin'ireo mandika lalàna izy ireo... ♦ Tsy vahaolana ny fanakanan'ny mpitondra ny hetsika hanehoan'ny vahoaka ny alahelony hoy ny Antoko Kintana. Miantso ny mpitondra sy ny prefektiora hamela malalaka ny olom-pirenena haneho ny heviny amin'ny fahasahiranana mahazo azy koa hoy ny Leader Fanilo... ♦ Velon-taraina ny mpivarotra nesorina tao amin'ny bazary Ankirihiry any Toamasina...
• Nametraka fitoriana fampiatoana sy fanafoanana ny tsy fanomezan-dalana avy amin'ny OMC Antananarivo, ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy ao amin'ny fanoherana... • Nilaza ny handray fepetra hentitra ho an'ireo minia mandika lalana ny EMMONAT, rahampitso... • Mitohy ny ezaka amin'ny fiarovana ny ankizy, izay ataon'ny PFSCE...
♦ Tondron'ireo ololm-pirenena ho tompon'antoka voalohany amin'ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny ny fitondram-panjakàna... ♦ Homamiadana ho an'ny mpitondra sy ny toe-karem-pirenena ny olan'ny famatsiana herinaratra ary tokony hesorina amin'ny toerana ireo mpitantana tsy mahavita ny asany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy tao Moramanga ny 3 lahy niaraka tamina taolam-paty milanja 52kg, taolam-paty izay fantatra fa amidy 5 tapitrisa ariary ny iray kilao... ♦ Manangasanga any indray ny hisian'ny fitokonana faobe ao Frantsa manoloana ny resaka teti-bolam-panjakàna any an-toreana...
♦ Tsy nahazo alalana avy amin'ny OMC ny fanatanterahana ilay hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" kasain'ny mpanolontsainan'ny tanàna atao eny Ambohijatovo rahampitso alakamisy faha-25 septambra 2025... ♦ Hampiantso filan-kevi-pirenena ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nasiônaly "SECES" nasiônaly, izay tanterahana anio alarobia 24 septambra eny Ankatso... ♦ Lasa sehatra ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara ny tambazotran-tserasera, tsy tokony ho avy amin'ny mpitondra araka izany no hiavian'ny fanafitohinana ho an'ny vahoaka hoy ny avy eo anivon'ny Antenimieram-pirenena...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco