Ny Sorona teo amin'ny Hazofijaliana ihany no antoky ny Famonjena antsika. Andriamanitra no nifidy an'i Maria sy nameno azy ny fahasoavana mba hitondra ny famonjena an'izao tontolo izao.
Tsy nandao an'i Maria i Josefa noho izy nino ny filazan'ny anjelin'ny Tompo. Nanaiky ny iraka nankinin'Andriamanitra taminy izy: Niambina ny fahavirijinian'i Maria ary niantoka ny fahamarinan'ny maha-olombelona an'i Jesoa.
Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy.
160 taona izay no nankatoavan'ny Printsy Rakoto (Radama II) fa afaka mitory ny Vaovao Mahafaly ankahalalahana ireo misionera katolika teto Antananarivo. Taorian'ny nahafatesan'ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ny 16 aogositra 1861, izay nanenjika fatratra ny kristianina dia tonga teto Imerina i P. Hubert ny 23 septambra 1861.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco