Misy manda lehibe roa miaro antsika kristiana dia ny tenin'Andrimanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ; ary eo ihany koa ny Sakramenta fito. Misongadina amin'ireo Sakramenta fito :  ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny filaharana. Tsy misy ny atao hoe "krizy" eo amin'ny fiainan'ny Eglizy fa ny olona tsirairay no tsy mahatsapa ny hasin'ny tenany, aina, fo amam-panahy, tanindrazana, ary ny hasin'ny tontolo iainana. 

Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.

Ny didy aman-dalàna sy ny didin'Andriamanitra no fototra handrafetana ny fitsipika hifampitondra eo amin'ny samy mpiara-belona. Misy amin'ireo lalàna noheverina handrindràna ny fiaraha-monina no tsy mipaka any amin'ny tontolo ambanivohitra, izany hoe tsy ampy ny fahampahafantarana azy ireny. Na nisy aza ny fivoriana nataon'ireo andrim-panjakana mpanao lalàna dia tsy misy fampahafantarana izay lalàna niadian-kevitra sy izay mety ho fampiharana izany.

Manana ny mampiavaka azy ny kristiana Malagasy. Mba hanavahana ny asan'ny fanompoan-tsampy dia eo ny didin'Andriamanitra, telo voalohany : Izaho no Tompo Andriamanitrao, ianao aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho, manompoa an'Andriamanitra ianao, tiava azy amin'ny fonao rehetra ; aza manonononom-poana ny anaran'Andriamanitra ; mankamasiana ny andro alahady... Misy ny andro fady ho an'ny kristiana dia ny alahady ho an'ny finoana katôlika...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...