17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.
16 aprily — I Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana kely tao Artois, ny 26 marsa 1748. Izy moa dia maty Tao Roma ny 16 aprily 1783. Lahimatoa amin'ny zaza 15 nateraky ny ray aman-dreniny i Benoît-Joseph.
15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.
14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.
13 aprily — Ny papa Martin Voalohany no tsaroana amin'izao andro izao. Voafidy ho papa izy ny volana jolay 649. Avy any Todi (Ombrie) izy, ary légat tao Constantinople. Ny taona voalohany naha papa azy dia nanmpiantso Kônsily tao Latran izy ary namaritra lalana teôlôjika nanameloka ny fampianaran-diso monothélite sy ny fampianarana byzantine naelin'ny amperora Héraclius tamin'ny taona 638.
12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.
10 aprily — Tsy fantatra mazava izay toerana mazava nahaterahan'i Fulbert, fa hoe avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Ny fantatra momba azy dia ny fanarahany ny fampinaran'i Gerbert d'Aurillac tao Reims tamin'ny taona 984. I Gerbert d'Aurillac io ilay papa Sylvestre II taty aoriana.
09 aprily — Teraka tao Picardie tao France ny taona 1030 i Gautier. Mbola zaza izy dia efa nizotra tamin'ny lalam-pahamasinana sy ny lalam-pahalavorariana. Efa niezaka nanao ny fiain'ny mpitoka-monina izy tany amin'ny toerana nitaizana azy.
07 aprily — I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle dia pretra frantsay, nitondra fanavaozana teo amin'ny fomba fampianarana. Nanokana ny fiainany amin'ny fanabeazana ny zaza mahantra izy ary mpanorina ny fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes.
06 aprily — I Marcellin dia sekreteram-panjakan'ny amperora Honorius ary maty martiry tamin'ny 13 septambra 413. I Masindahy Augustin no tena nanoratra ny momba azy, ary nisy mihitsy aza asa soratra maneho ny fiderana ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena mendrika nataon'ity mpiasam-panjakana ity.
05 aprily — Misionera niaina tamin'ny taona 1357 ka hatramin'ny 1418 i Masindahy Vincent Ferrier. Teraka tao Valence izy, ary mbola tany am-bohoka izy dia efa hitan-dreniny tamin'ny nofy sahady ny hoaviny ka nitebiteby fatratra.
04 aprily — Arseveka tao Séville i Isidore tamin'ny taonjato fahafito. Rahalahiny sady mpandimby an'i Masindahy Léandre, eveka tao Séville ihany koa i Isidore, zanaka printsy izy ireo ary mbola mpiray tampo aminy ihany koa i Masindahy Fulgence sy i Masimbavy Hortense izay relijiozy nalaza tamin'ny hira masina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco