24 jona — I Masindahy Jean Baptiste no ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra nanambara sy nilaza ny fiavian’i Jesoa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy ihany koa no nanao batemy an’i Jesoa teo amoron’i Jordany, ny nahatonga azy nantsoina hoe Jean Baptiste moa dia noho izy izay nanao batemy izay, izy no ilay mpialoha lalana ny Mesia.

Ny Vaovao Mahafalin’i Masindahy Lioka ihany no mitantara ny nahaterahan’i Masindahy Jean Baptiste, ilay zanak’i Elizabeth sy i Zacharie, zanak’olona mpiray tampo moa i Elizabeth sy Maria renin’i Jesoa, ary ny fahaterahan’i Jean dia mitovy ny amin’i Jesoa ny fanambarana azy satria ny arkanjely Gabriel no nilaza tamin’i Zacharie fa hiteraka zaza lahy izy ary i Jean no anarany ka ho feno ny Fanahy Masina sy hanana fahamboniana tahaka an’i Elie io zaza io. Nisalasala noho izany i Zacharie ny amin’ny ho izay fomba hahatanterahan’izay nolazain’ny anjely. Satria moa izy efa anti-dahy ka nambaran’ny arkanjely Gabriel fa ho moana i Zacharie mandrapahateraky ny zaza. Rehefa teraka i Jean dia tao amin’ilay tononkira nataon’i Zacharie rainy no nisaorany an’Andriamanitra, no nanambarany ihany koa ny fanafahana ny vahoaka sy ny iraka ampanaovina an’i Jean zanany io. Araka ilay tantarain’i Masindahy Lioka 1, 76 hoe “ary ianao ry zaza dia atao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra. Fa hialoha ny Tompo ianao hanamboatra ny alehany”.

Araka ny iraka nampanaovina an’i Jean dia nampibebaka ny vahoaka izy. Nampidiriny tao amin’ny tontolo vaovao ireo izay heverina fa tena mpanota. Nambarany fa efa antomotra ny fitsarana. Nampianariny hifampizara ny vahoaka, sy hanitsy ny toetra, amin’ny fanajana ny hafa sy ny asa. Rehefa nanao batemy teo amin’ny renirano Jordany izy dia niantso ny rehetra hibebaka ka samy nandray batemy avokoa ary tsy nisy fihavahana saranga sy finoana intsony. Nambaran’i Jean tamin’izany fa izy dia manao batemy amin’ny rano ho amin’ny fibebahana, fa ilay ho avy aoriany kosa, izay mahery noho izy, no hanao batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny afo (Mt 3, 11). Izay no maha mpialoha lalana azy. Ary voasoratra ao amin’ny Soratra Masina izany.

Azo avahana tsara ny hafatra ampitain’i Jean sy i Jesoa ao amin’ny Vaovao Mahafaly, na dia samy miteny ny fanjakan’Andriamanitra sy ny tsy maintsy hibebahana aza izy miralahy ireto. I Jean dia manasongandina ny fahamaizana, fa i Jesoa manolotra famindram-po. Ny fiainan’i Jean dia mitoka-monina toy ny nataon’i Elie fa i Jesoa kosa nanasa ny mpanota niara-nihinana taminy. Ary i Jean nampiasa ny sarin’ny fijinjana, fa i Jesoa momba ny voa nafafy. Marihina fa maty martiry tamin’ny taona 30 i Jean Baptiste ary tsaroan’ny Fiangonana ny 29 aogositra io naha martiry azy io. Ka amin’izay fotoana izay isika hafantatra misimisy kokoa ny fomba nahafatesan’i Jean Baptiste.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...