06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.

Ny taona 1055 i Bruno no niverina tany Cologne ary nandray ny sakramentan'ny filaharana sy ny mari-pahaizana Canonicat. Ny taona 1057 izy no nantsoin'ny arseveka Gervais, tao Reims, hampianatra haisoratra sy filôzôfia ary teôlôjia ka nandritra ny roapolo taona no niandraiketany an'izany. Nambaran'ireo mpianany fa mahasarika sy mahay mampianatra i Bruno. Sady mpandalina izy no mpampianatra haisoratra, mpandaha-teny, loharanon'ny fahalalana ary mpampianatry ny mpampianatra. Izany no namaritan'ireo mpianany ny toetran'i Bruno.

Ny taona 1083, nanatona any Masindahy Robert de Molesm i Bruno, niaraka tamin'ny namany roa dia i Pierre sy i Lambert, mba angataka ny fanamian'ny mpitoka-monina, ka handeha hiataka any Sèche-Fontaine. Nentin'ny eveka tany an'efitra tany amn'ny Chartreuse anefa izy ireo, ary ny 1085 no niorina ny fiangonana voalohany tao. Nantsoin'ny papa Urbain II izy ny taona 1090 mba ho mpanolo-tsaina, nefa ny hanirery no masaka tao an-tsainy ka ny taona 1092 no nahazo tany tamin'ny comte Roger de Sicile izy ka nomen'ny papa alalana hanorina trano fitokana-monina. Ny taona 1094 no notokanana ny fiangonana tao. Ny 06 ôktôbra no nodimandry tao Santo Stefano del Bosco i Bruno ary nalevina tao ihany. Ny taona 1122 no nafindra tany Sainte-Marie-du-Désert, ny taolam-balony. Amin'izao fotoana izao dia mahatra fito ambin'ny folo ny isan'ny ankohonam-piaina mpitoka-monina lehilahy, dimy ny ankohonam-piainana vehivavy any Europe izay manara-dia an'i Bruno, ny iray any Etats-Unis. Efajato eo ho eo ny mpitoka-monina lehilahy ary zato ny vehivavy.

[Miara-dalana] Zoma 25 nôvambra 2022

♦ Manao antso avo amin'ny herivelona rehetra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy Fiadanana, hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon'olombelona... ♦ Tsy fifanoherana ny fahasamaihafana fa kanto ho an'ny Eglizy, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava... ♦ Fahatokiana sy fitiavana no hafatra nampitain'ny Papa François ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy tao Verone, Italie...

Tohiny...

Fitiavana sy famonjena

Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...