Tsy azo atao tsinotsinona fa tena zava-dehibe ny Testamenta Taloha ho an'ny Kristianina izay manaradia an'i Kristy. Tsy azo sarahina ny Testamenta Vaovao sy ny Taloha satria ny samy notsilovin'Andriamanitra ny mpanoratra azy ary ny Testamenta Taloha dia mamono ny testamenta Vaovao. Ny testamenta Vaovao dia mamelabelatra ny Testamenta Tranainy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Misy karazana fampianarana 16 isa navoakan'ny Konsily vatikana faharoa, ary izy ireo dia azo sokajiana 3 araky ny lanjany avy : Foto-pampianarana (miisa 4), Sori-dàlana (miisa 9) ary Fanabeazana (miisa3). Ny foto-pampianarana mahakasika ny fanambaran'Andriamanitra dia tena fototra mahakasika ny Litorjia, miankina be dia be aminy ny foto-pampianarana manodidina azy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Tsy misaraka ary mifampiankina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Misterin'ny Trinite Masina no vaovao ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny boky manontolo Testamenta Taloha tamin'ny fitorian'ny Vaovao Mahavaly dia maka ny heviny ao amin'ny Testamenta Vaovao... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...