Tsy mety mandray ravin-deno sy manao raharaha intsony ny zanaka fa variana ao amin’iny fitaovana kely safosafoina sy pendipendena tontolon’ny andro iny. Lasa miteraka hamaivanan-doha eo amin’ny zanaka matetika satria tsy miditra intsony mihitsy ny anatra sy ny fanabeazana omen azy mivantana. Ary tsy vitan’izany fa ny fanekena ny ray aman-dreny dia raisina ho didiko fe lehibe sisa.

Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Vokatry ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny olon-dehibe ny mahatonga ny tranga mahonena iainan’ny ankizy amin’izao fotoana izao.  Manentana antsika ny Papa François mba hanova io tranga mampalahelo io. Tsy misy na iray aza ho very anjara amin’izany andraikitra izany :  ny tsirairay amintsika, ny firenena. Tohin’ny katesizin’ny Ray masina momba ny fianakaviana miaraka amin’i P. Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.

Na inona na inona ny fihevitry ny reny ny amin’ny nahatonga azy nitoe-jaza dia tsodranon’Andriamanitra ny zanaka. Noho izany melohin’ny Papa François ny herisetra ara-batana na ara-moraly atao amin’ny ankizy. Fanazavana ny katesizin’ny Papa François momba ny anjara toeran’ny ankizy iarahana amin’ny Père Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...