Tsy ny fanamarinan-tena, ao aminy no nampihavanan'andriamanitra ny olombelona aminy indray. I kristy ilay endrik'Andriamanitra no namerina amintsika ny endrik'Andriamanitra very. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny vokatry ny fahotana dia ny fahaverezan'ny maha olona ny olona, ary ankoatra izay dia mety havita zavatra tsy azo sainina. Marihana fa ny fahotan'ny tsirairay dia tonga ho fahotan'ny fiaraha-monina rehefa mihitatra sy mitambatra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Rehefa nanaiky ny ho resin'ny mpaka fanahy i Adama sy Eva dia nanota, nanimba ny toetra voajanahary maha olombelona azy ireo ny fahotana. Noho izany ny fototry ny fahapotehana manjo ny isam-batan'olona sy ny fiaraha-monina dia ny fahotana. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy voaary natao hitoka-monina ny olombelona fa lalim-paka ao amin'ny toetra nahariana azy sy ny fifandraisana amin'ny hafa, ary tsy afaka hiaina sy hivelatra araka ny maha izy azy izy raha tsy mifandray amin'ny hafa. Tsy ny olombelona tsirairay ihany no endrik'Andriamanitra fa ny fiombonana ihany koa. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco