Tahirin-kevitra voalohany nantsoina hoe "ansiklika" izany hoe : nalefan'ny Papa Joany faha-23, ho an'ny olombelona tsara sitrapo rehetra. Ansiklika mampahatsiahy ireo manan-jo ho velona sy hisafidy ny fivavahana, ny endrim-piainany ny tsirairay. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny votoatinny : Manohy sy mameno ny "Mater et Magistra". Asongadiny ny resaka fandriam-pahalemana sy ny hasina maha olona. Resahiny koa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny daholo be. Ny zava-nisy tamin'izany dia ny fanefena fiadiana nokleary.  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny votoatinny : Nampitandrina ny Ansiklika, nanohitra ny fanosihosena ny fahafahan'ny olona hanorina fikambanana ary nantitranteriny ny foto-kevitra momba ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa. 40 taona no nanoratana ny Rerum Novarum, nisy ny krizy ara-toekarena ny taona 1929.  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny votoatinny : Miresaka momba ny mpiasa, indrindra ireo mpiasa amin'ny indostria noho izy ireo difotry ny fahantrana tsy hay leferina ; fitakiana zo : zo hanan-javatra manokana, zon'ny osa, hasin'ny mahantra sy ny adidin'ny manan-katao. Nitaky fomba vaovao sy fandraisana andraikitra ho an'ny Eglizy.  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...