Amin'ny alalan'ny fijoroan'ireo relijiozy ho mpaminany no sehatra hanehoany ny fikatrohany. Mpaminany ny relijiozy satria natao hitondra ny Tenin'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao. Hoy Papa Fransoa "Mpitily ny olom-boatokanaeo anivon'ny fiangonana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Mampianatra sy manamarina ary manamasina ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramenta ny Pretra. Ny pretra koa dia mitarika ny olon’Andriamanitra, mandray anjara amin’ny asa mpiandry ondry. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Mila mikatroka isika eo amin'ny fiainana satria tsy mamela antsika hidonanam-poana akory ny fiantsoan'Andriamanitra. Manosika antsika hikatroka ny fahatsapantsika ny fikatrohana ataon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Tsara ny manamarika fa Izy Tompo no nanampy antsika hikatroka amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Manana adidy ny laïka ho lalivay eo an'ivon'izao tontolo izao ka ho fiadanana sy fahamarinana ary fifankatiavana no hiainana eto an-tany. Tokony hafehy ny fitaovan-tserasera sy karazam-pitenena misy ankehitriny ireo mpitory ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...