Mila faharetana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly satria mila fotoana ireo olona hitoriana vao ho afaka mandray ao aminy ny fiainana ny hafatr'i Kristy ary mila fotoana ihany koa ny hibebahany marina tokoa. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Manankarena ny fiangonana noho ireo karazam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Roa ny karazam-pahasoavana : ny fiantsoana amin'ny fandraharahana masina, ary ny fiantsoana hiaina amin'ny fomba samihafa ny fanahafana an'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Antsoina hiombona ao anatin'ny fiangonana isika. Antsoin'Andriamanitra hiaina ao anatin'ny fiangonana isika ary handray anjara mavitrika amin'ny asa fitoriana. Noho izany dia fiombonan'ireo nantsoin'Andriamanitra ny fiangonana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Antsoin'Andriamanitra avokoa isika olombelona rehetra. Antsoiny hiaina araka ny fandaharany isika, antsoiny hiaina araka ny sitrapony. Antsoiny hitovy amin'i Jesoa Kristy isika, izy no modelin'olombelona araka ny sitrapon'Andriamanitra Ray, ka antsoina isika hiombon'aina aminy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco