Ny famonjena dia tanterahan'i Kristy ilay hany manalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona ; tian'Andriamanitra handray ny famonjena tokoa ny olombelona rehetra. Tsy an-tery ny fitoriana ataon'ny Eglizy na dia tiany aza ny handraisan'ny olona rehetra ny famonjena fa omeny lanja ihany koa ny fanajana ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay, fanajàna ny hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Tenin'i Kristy tamin'ny Apôstôly ny hoe :" toy ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa" ; tsy hoe asa tsy maintsy tanterahin'ny Eglizy na azo heverina ho tsy laharam-pahamehana akory aza ny maha-iraka fa tena anisan'ny mandrafitra sady maneho ny maha-izy azy mihitsy. Io iraka io no anisan'ny ilazàna fa "apôstôlika" ny Eglizy, ny apôstôly midika hoe voairaka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Sady fanomanana ny Vaovao Mahafaly no efa fanomanan'Andriamanitra hanomezany Ilay mazava amin'ny olona rehetra hananany fiainana any am-parany ny fiainana tsara niainan'ireo olona tsy nahalala an'Andriamanitra. Ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjena izao rehetra izao dia raisin'ny Fiangonana adidy ny mampandroso ny olona sy ny voaary... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...