Isan'ny antso ihany koa ny fanambadiana. Misy dingana miisa telo : ara-pianankaviana, ara-panjakàna, ary ara-pinoana. Miteraka  adidy sy andraikitra ny fanambadiana sy ny maha kristiana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tsara ny halalana ny hoe : famantarana. Zavatra manaitra mahatonga haniry hanao zavatra iray. Mila olona hanampy ianao, hampirona kokoa amin'ny famaliana ny antso. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Fomba sy endriky hamantarana antso ny fahanginana. Mila fitoniana rehefa misy tranga iray, tsy misendaotra, mamakafaka tsara ao am-po lalina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Avelao ny Fanahy Masina hiasa ao anatin'ny fahanginana. Antsoy ny Fanahy Masina hanazava sy hanoro mba hahaizana mihaino ny tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...