Miovaova noho ny firehan-kevitra ny endrik'izao tontolo izao. Tsapa araka itsy voalohany, fa miharatsy ny tontolo, fomba fiaina sy ny fisainana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Avy amin'ny Fanahy Masina no hanehoana harem-panahy. Noho ny herin'ny Fanahy Masina dia tafita ny finoana. Vavolombelon'ny finoana eny amin'ny fiaraha-monina isika " Ianao no fanasin'ny tany". Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny rakitra any an-tsaha, izay voalaza ao amin'i Md Matio 13. Tsy lo ny harena ara-panahy dia ny " finoana an'i Jesoa Kristy". Katesizy momba ny fanehoana ny harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Antso ny maha pretra na relijiozy, ilana fahaizana mihaino izany indrindra rehefa misy famantarana. Manantona ny pretra tompom-paritany no dingana akaiky indrindra avy eo misafidy ny fikambanana mba hahafahana manamasin-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco