Andriamanitra dia manasa ny olony mba hanaiky sy hatoky azy amin'izay rehetra atao. Ny Soratra Masina ao amin'ny Boky Fanisana 13, 1 dia manaporofo izany satria Izy dia efa nampanantena ny zanak'Israely ny anomezany ny tany Kanàana azy. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Tsy niasa irery i Jesoa tamin'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin'ny Ray Azy, fa nanana mpiara-miasa Aminy dia ireo Mpianany roambinifolo. Isika tsirairay hatramin'ny nahavita Batemy antsika dia voaantso ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra sy mpiara-mitory ny Vaovao Mahafaly miaraka amin'i Kristry. Mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Raha mamaky ny andininy amin'ny soratra masina ao amin'ny Boky Eksaody 3, 7-10, dia mipetraka ny fanontaniana hoe : iza tokoa no tena nanafaka ny zanak'Israely? Môizy sa Andriamanitra? Ny valiny dia tsotra Andriamanitra dia naniry ny hanafaka ny olony tany amin'ny tany Ejipta tamin'ny fanandevozana, ka i Môizy no natony fitaovana hahatanteraka izany. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy isidore.
Araka ny voalazan'i Md. Paoly amin'ny taratasy nosoratany hoe " fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra ; ary ianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny" (I Kor 3,9), HIta fa misy fifandraisana sy fiaraha-miasa manaraka rindrandamina sy maharitra eo amin'ny mpiara-miasa dia ny eo amin'i Jesoa Kristy sy ny mpianany. Tanjona iray no iraisana dia ny mba hampivaotra ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco