Irin'i papa Fransoa mba homena lanja ao anatin'ny pastoralin'ny tanora ny fifampizarana ny andram-piainana ka ao anatin'izany ny fihainoana ireo karazana fijoroana ho vavolombelona. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piaianana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary
"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy". Ny fifanampiana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany no mampiroborobo sy mampaharitra ny fiaraha-miasa amin'ny hafa. Fianarana ho antsika ny nasehon'Andriamanitra, satria na manana ny ampy tsy taka-pesipesenina aza Izy dia mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona nohariny. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Rehefa misy ny disadisa eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny fivoriana sy ny fanaovana jery todika mba hahitana ny marimaritra iraisana. Tsara indrindra raha atao mitovy tantana ny olona reheta miara-miasa fa tsy asiana tombo sy hala. Tsy vita mora anefa izany fa mila faharetana, fiafiana sy fampijalian-tena. Ialàna anefa ny fifampitsabahana andraikitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Miankina amin'ny tsirairay no mampisy io fiaraha-miasa amin'ny hafa io ; noho izay dia samy tompon'andraikitra ny rehetra. Voalohany dia ilaina ny fifankatiavana sy ny fifanajàna eo amin'ny samy mpiara-miasa, ary ao anatin'izany ny fifampitokisana. Faharoa fitadiavana ny marimaritra iraisana. Raha samy tsy mifampihaino sy samy miziriziry amin'ny heviny ny tsirairay mety ho potika ny fiaraha-miasa. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco