Ny fitiavana kristiana no antoka iray lehibe manamafy ny fifandraisana ara-pianakaviana. Mila mifameno amin'ny lafiny rehetra ny maha ray sy maha reny ary ny maha zanaka mba hivoitra ny fiainam-pianakaviana mifankahazo sy mifankatia. Sorihina ireo teny na fihetsika na fomba manimba ny fifandraisana ara-pianakaviana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ankoatry ny fanabeazana dia ny fitiavan-dreny no isan'ny fototra mampirindra ny fiainam-pianakaviana. Afaka miteny sy mananatra am-pitiavana ny zanany ny reny. Mila manjaka ao amin'ny fianakaviana ny toetsaina kristiana mba hampivelatra ny fifandraisana misy eo amin'ny tsiirairay. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ny fitiavana no hatsaram-panahy kristiana faratampony amin'ny fampianaran'i Kristy. Voafafa daholo ireo haratsiana rehetra maha olombelona rehefa ny fitiavana no iveloman'ny fianakaviana. Ny fitiavana marina no mamelona ny fihavanana tena izy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco