Tokony hahay hanitsy ny zanany, tsy hanala baraka azy ny ray ary mahay manasazy araka ny hitsiny, hoy ny Papa François, ka navoitrany fa raha hampita ny fahendrena sy ny fahitsiana, dia tsy maintsy miaraka aminy mandrakariva, manam-paharetana ary mamindra-fo. Indro ny tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa.
Famantarana hita maso maneho ny maha-iray ny finoana ny Papa Ray masina, ao amin'ny Fiangonana katolika. Ambaran'ny ny fampianaran'ny Fiangonana fa dimbin'i Piera Apostoly izy.
Taom-pahasoavana ho an'ny mpino katolika malagasy ny taona 2019 satria hitsidika an'i Madagasikara ny Papa François. Fitsidihina antenaina fa hitondra fiadanana sy fanantenana ho an'ny vahoaka Malagasy
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco