Hamafisin'ny Papa François fa toetra iray mendrika alain'ny tanora tahaka amin'ny zokiolona ny faharetana amin'ny fanambadiana. Tsy amin'ny fanambadiana ihany anefa, fa indrindra ihany koa amin'ny vavaka sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona ao amin'ny fianakaviana, miaraka amin'i P Justolat Rafaralahimboa:
Ny fiaraha-monina na ny fianakaviana no manao antsika an-jorom-bala na manilikilika antsika zokiolona, hoy ny Papa François, nefa ny Tompo tsy manary antsika na oviana na oviana. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona, miaraka amin'i P. Justolat Rafaralahimboa:
Antso avokoa ny asa ataontsika eo amin'ny fiainana andavanandro fa misy ny antso iombonana ho an'ny olona rehetra dia ny fahamasinana. Manazava ny atao antson'Andriamanitra i P. Justolat Rafaralahimboa:
Manohy hatrany ny katesizin'ny Papa François momba ny zokiolona isika, izay nanomezany fampianarana manokana momba ny antson’Andriamanitra na ny antso ho azy ireo. Izany hoe ny anjara asa manandrify azy ireo ao amin’ny fianakaviana na ny fiaraha-monina. Fanazavana entin'i P Justolat Rafaralahimboa
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco