Ny vavaka ao amin'ny Soratra Masina no isan'ireo vavaka tsara indrindra. Ny vavaka dia tena tolona. Ny vavaka niain'ireo olom-bofidin'Andriamanitra dia afahana manaporofo fa ny vavaka dia tolona, indrindra rehefa manoloana ireo sedra maro samihafa... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Maro ireo andram-piainana sy traik'efa mikasika ny vavaka niainan'ireo zoky ara-pinoana : tao ireo nanana faharetana tamin'ny zavatra madinika, isan'ireny Masimbavy Thérèse d'Avila, Masindahy Jean de la Croix, ary Masindahy Jean Bosco. Ny vavaka dia mampandroso ary maha olom-banona, miasa ao amin'ny vavaka ataontsiksa Andriamanitra... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Mila finiavana ny vavaka, tsy tokony ho kivy, izay no atao hoe tolona amim-bavaka.  Ny sitrapon'Andriamanitra no ezahina katsahana anatin'ny vavaka. Ny vavaka dia mampisy ny fanantenana toy ilay vehivavy narary an-taonany maro izay tsy nahitam-panafana anefa sitrana noho ny vavaka sy ny finoana... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Satana dia isan'ny fahavalon'ny vavaka, ary tsy maintsy resena. Mila mahay manavaka ny asan'ny fanahy isika ; misy telo dia ny fanahintsika dia ny sitrapo izay, ny fanahy ratsy dia ny satana, ary ny fanahy tsara izay vokatry ny fanahy masina. Fomba iray hiadiana amin'ny fakam-panahy ny fitokanana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra fa tsy hamela antsika ho resin'ny fakam-panahy Izy... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...