Ambaran'ny Soratra Masina fa mijery ny dion-tanan'izay mivavaka Andriamanitra, ary tsara tadidiana fa tsy ny fanasàna azy amin'ny rano sy ny savony no hampadio ny tanantsika fa amin'ny tsy fampiasana azy amin'ny zava-dratsy. Noho izany na ny ataontsika na ny saintsika na ny fontsika no tsy madio dia tsy afaka ny hahita an'ilay Andriamanitra ary mazava loatra fa tsy afaka miresaka Aminy. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.
Ny fivavahana dia mampiditra antsika ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no manokatra ho antsika ny lanitra ka hahafahantsika mifandray amin'Andriamanitra dia ny fifandraisana amin'ilay Andriamanitra tokana olona telo dia ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.
Ny Olomasina no modely amin'ny finoana sy ny faharetana amin'ny vavaka. Masindahy François d'Assise : nanova ny fony sy ny asa nanirahana azy ny fiainany nivavaka sy nisaintsaina ; naharitra nivavaka izy na dia teo aza ny fahoriana. Masimbavy Monica : nivavaka nandritra ny taona maro izy ho an'ny fiovam-pon'ny zanany lahy. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Farito mazava tsara ny fikasàn'ny vavaka, ka mifantoka amin'izay tianao hangatahana, tadiavina ny vavaka atao. Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, mandondona dia hovohana ianareo. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco