Fanandratana ny fahany ho amin'Andriamanitra na fangatahana Aminy ny soa sy ny tsara, ny vavaka. Mivavaka ny olona manontolo amin'ny alalan'ny fihetsika na teny fa eo koa ny fanahy na ny saina fa matetika indrindra ny fo. Ny vavaka kristianina dia fifandraisam-pifanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ao amin'i Kristy. Asan'ny Trinite Masina ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Rehefa amin'ny famaranana ny fankalazana ny Eokaristia "Lamesa" dia ilazàna isika hoe "Hitantana ny diantsika anie i Kristy" izany hoe aoka hialoha lalana amin'izay ataontsika rehetra, amin'ny fiainantsika i Kristy ka mitohy amin'ny fiainana na koa hoentina amin'ny fiainana andavanandro izay natrehana teo, ka entina mody izay azontsika. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra, resaka ifanaovan'ny mpifankatia : olombelona sy Andriamanitra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Ny tombontsoa sy fahasoavana azo avy amin'ny litorjia dia tsy vahiny sy tsy manavao satria mitovy avokoa ny eran-tany na ny foto-kevitra, ny vavaka, ny vaki-teny. Afaka miombona foana ary afaka mandray anjara mandrakariva. Tsy miova fa anaty rafitra maharitra. Afaka mivavaka foana na aiza na aiza, na rahoviana. Santatry ny litorjia an-danitra mandrakizay ny litorjia eto an-tany... Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

Ny toe-po sy toe-panahy entina miatrika ny litorjia dia ny fananana finoana, fanekena ny Eglizy, fiombonana amin'ny Eglizy eran-tany ; fivelarana amin'izao tontolo izao. Mety misy ny "RITES" na hoe fombam-pivavahana manokana, mety miova kely ny filahan'ny zavatra atao, fa efa ankatoavin'ny Eglizy ireny dia azo andraisana anjara any amin'ny firenena samihafa any ; ny "rite latin" no ampiasaina eto amintsika.  Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...