Manambara ny misterin'ny fahariana vaovao ny vavak'i Jesoa satria ao Izy no miezaka manavao ny zavatra rehetra sy hamerina amin'ny laoniny ny fahariana taloha izay niantsoana ny olombelona ho amin'ny fifampizarana sy fahasambarana. Tsarovy fa na ho aiza isika na ho aiza dia tsy misy famonjena raha tsy misy fijaliana. Mila mifampitondra am-bavaka isika satria Jesoa aza Andriamanitra nivavaka mba hatontosa ny famonjena, maika fa isika? Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Tohin'ny asa fahariana ny Vavak'i Jesoa satria mamerina ny hasin'ny olombelona ho amin'ny fahamasinana izay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Mijanona eto an-tany ny fiainana maha olombelona fa ny hitovizana amin'Andriamanitra no entina any an-danitra. Izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina sy Jesoa Kristy ilay nirahiny dia tsy ho tonga zava-boahary vaovao mihitsy izy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Loharano hipoiran'ny fanantenana ny vavaka satria mampitodika tsy tapaka amin'ilay nanao ny zavatra rehetra. Ny tena olombelona dia izay mahay manokatra fomba fijery vaovao amin'ny misterin'ny asa fahariana nataon'Andriamanitra. Ny fahazotoana mivavaka no manambara mazava hoe manan-kianteherana isika dia Andriamanitra Mpahary. Izay tena mivavaka dia mahatsapa fa ny antso ho amin'ny fitsanganan-ko velona no tena antso farany ho azy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Mampisaotra, maha te hidera, mahatalanjona sy mampitolagaga ny fahaizan'Andriamanitra nanamboatra ny zavatra rehetra ka mampi-te hisokatra aminy isanandro. Tsinotsinona isika mitaha amin'ny fahalalan'Andriamanitra ary mirohanahana ihany izay mba fihevetsika, ka ny tsara indrindra dia ny mihaiky ny fahalehibiazan'Andriamanitra. Ny tsara indrindra ho an'ny olombelona dia ny miantehitra amin'Andriamanitra Mpahary. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco