Misy fepetra maro tsy maintsy hajaina ny litorjia : voalohany ny toerana toy ny fiangonana, chapelle, na toerana hafa ankatoavin'ny manam-pahefana eo anivon'ny Eglizy, toerana voaomana tsara, tony, madio ary mendrika ; faharoa ny ora toy ny hoe vavaka maraina, hariva, ny haeloan'andron'ny Paka ; fahatelo ny andro toy ny hoe vavaka isanandro na ny alahady, misy koa ny andro voadidy hohamasinina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

Ny Raozery sy Sapile : misy ny endrika efa mahazatra dia ny mistery 4, misy toko 5 avy ; fa misy koa, ohatra Sapilen'ny famindram-pon'Andriamanitra, Sapile miaraka sy ho an'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana, Sapile miaraka amin'ny Masina Misely Arkanjely... Misy koa ireo fanehoam-pinoana sy fitiavam-bavaka hafa efa fanaon'ny mpino hatry ny ela ; ilaina ireny satria olona mino sy mavitrika no ilaina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

Ny vavaka, ny fivavahana dia fitodihana any amin'Andriamanitra ; fankatoavana, finoana sy fitokisana Azy. Fanandratana ny fo, fanahy sy ny tena manontolo mankany amin'Andriamanitra mba hisaotra amin'ny fanomezany. Ny Litorjia dia fanompoam-pivavahana ataon'ny vahoaka ho an'ny vahoaka, asa iaraha-manao ka misy firindràna efa raikitra. Ao amin'ny Litorjia no anohizan'ny Eglizy ny asa-pamonjena...  Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

Noho i Kristy, misy dikany marina ny fahafatesana kristiana "raha ny amiko dia i Kristy no ahavelomako ary, fahafatesana no azahoako tombony" ; teny mahatoky tokoa izao : raha miara maty Aminy isika, hiara-belona Aminy. Ao amin'ny fahafatesana no niantso ny olombelona hakany Aminy Andriamanitra. Tsy manana afa-tsy fotoana voafetra ihany isika ary ny fahafatesana no hahatsiarovantsika izany...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...