Ny lehilahy sy vehivavy mivavaka dia mikatsaka ny ho irery sy ny fahanginana, tsy hoe mba tsy hoelingelinina fa mba hihaino tsara kokoa ny feon’Andriamanitra. Na iza na iza dia afaka mandondòna eo am-baravaran’ny olona mivavaka ary mahita ao aminy ny fo feno fangorahana, izay mivavaka tsy manilika na iza na iza. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Izay mivavaka dia tsy mandao an'izao tontolo izao. Raha tsy manangona ny fifaliana sy ny fanaintainana ny vavaka, ny fanantenana sy ny ahiahin’ny zanak’olombelona, dia lasa hetsika sy haingo izany, teatra, fampisongadinana ny tena fotsiny. Isika rehetra dia mila ny mihay ny atin'ny fontsika: mitady toerana, manokana fotoana ho an'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra; tsy midika hoe mandositra ny zava-misy izany. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Mamaly foana ny vavaka Andriamanitra: anio, rahampitso, mamaly foana Izy, amin'ny fomba samihafa. Averin’ny Baiboly imbetsaka izany: Mihaino ny fitarainan’izay miantso Azy Andriamanitra. Eny, na dia ny fangatahanatsika manahirana indrindra, izay mahamenatra antsika; ilana faharetana lalandava, ny fiandrasana ny valim-bavaka. Na ny fahafatesana aza mangovitra rehefa mivavaka ny Kristiana... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Tsy tokony ho menatra isika raha mahatsapa fa ilaina ny mivavaka. Ny vavaka fangatahana dia mandeha miaraka amin'ny fanekena ny fetrantsika sy ny toe-javatra misy amin'ny maha-zavaboary antsika. Ny Tompo no manome antsika, ary ny zavatra rehetra dia fahasoavana. Na izany aza, aoka isika tsy hanakana ny fangatahana mipoitra amin’ny vavaka... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco