Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny anjara-toeran'i Masina Maria tamin'ny fampankaram-bady tao Kanà, fotoana voalohany nanaovan'i Jesoa fahagagàna, nanaovan'i Masina Maria fangatahana mivantana tamin'ny Zanany, nitarika ny Mpianatr'i Jesoa hino. I Masina Maria dia nakatoa mandrakariva ny tenin'Andriamanitra. Masina Maria dia nijoro tamin'ny finoana lehibe teo antampon'i Kalivery... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

I Masina Maria dia nanaiky ny sitrapon'Andriamanitra, izy dia vehivavy virijiny nanaiky ny hafatr'Andriamanitra, ilay Eva vaovao. Miasa Andriamanitra ary mandamina ny zavaboahary ; tsy kisendrasendra ny fiainana eto an-tany fa misy Andriamanitra mitantana. Môdely ho antsika amin'ny finoana i Masina Maria, manana finoana mihalavorary hatrany, mihamatotra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Fanomanana ny fahatongavan'ny  Mpamonjy no fototra nahatongavan'i Masina Maria ; izy ilay virijiny hanana anaka hiteraka zazalahy omena anarana hoe Emanoela. I Masina Maria dia ilay zanaka vavin'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana, ary nahatanterahan'ny fandaharana vaovao fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona, ho famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...