Ny 29 mey 2018 dia nanao hafatra ny fivondronamben'ny Eveka, namporisika ny kristiana sy ny tsara sitrapo ho tonga mpanangana firenena amin'ny alalan'ny asa sy ny fahamarinana : ho taranaka mpanorina isika raha mifanaja sy manao ny marina, lavitry ny korontana sy ny herisetra, antoky ny filaminana sy ny fikatsahana ny soa iombonana, mitondra amin'ny fampandrosoana maharitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny hafatry ny Eveka tamin'ny 27 jolay 1980 dia nanasongadinany ny fanjakan'ny baranahiny vokatry ny tsy fanajana ny zon'olombelona sy ny fitsipahana ny soatoavina ara-panahy. Hoy ny kardinaly : ny antson'Andriamanitra manokana ho an'ny lahika dia ny manabe voa ny Fanjakan'Andriamanitra eo amin'ny fandraharahana ny zavatr'izao tontolo izao ho araka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny famporisihana ny lahika hikatroka amin'ny politika dia nisongadina tao amin'ireo hafatra an-taratasy avy amin'ireo Eveka. Ohatra : 26 marsa 1972 "Ny Eglizy sy ny fivoarana eto Madagasikara" izay mandrisika ny lahika hiaro sy hampitombo hatrany ny soa iombonana sy ho fampivoarana ny tanindrazana. 2 desambra 1973 : "Ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena" izay manazava ny anjara andraikitry ny Eveka mikasika ny politikam-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Hevitra roa no azo handravonana ireo taratasin'ireo Evekan'i Madagasikara ny mikasika ny fifandraisan'ny Fanjakàna sy ny Eglizy katôlika teto amin'ny nosy. Voalohany, ireo taratasy mamporisika ny lahika katôlika hikatroka amin'ny politika indrindra tao aorian'ny 1972. Ny faharoa, mampitandrina sao misy fahadisoan-kevitra satria tsy natao hanohanana firehan-kevitra politika ny fivavahana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...