Ny finoana tsy latsa-paka dia toy ny fialam-boly na ambin-javatra fotsiny. Raiso ho toy ny fitaovana rehetra ampiasaina ireny fitaovana ireny, ka misy ny fotoana ampiasàna azy fa tsy izy no mandany ny andro rehetra. Mila asongadina mandrakariva ny maha fiangonana kely hanovozam-panahy ny fianakaviana. Aoka ny ray aman-dreny hipetraka mandrakariva eo amin'ny toeran'ny mpanabe. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Misy ny fiovan'ny fifandraisana eo amin'ny olona vokatry ny fandrosoan'ny teknôlôjia : miha akaiky ary toy ny miara-monina izao tontolo izao, ny ratsy kosa dia misy fotoana mampifanalavitra ireo mifanakaiky rehefa variana na mifantoka ao loatra. Ho ao an-tokantrano dia lasa miolonolona, tsy misy fifandraisana mivantana loatra fa samy variana amin'io telephone io. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Ireo olana fototra manimba ao an-tokantrano vokatry ny fitaovam-pifandraisana sy ny teknôlojia avo lenta ankehitriny dia : faniriana te hanana fitaovana tsara hika farany, tsy fahaiza-mionona, fahasahiranan'ny ara-bola... Ny zavatra rehetra dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara avokoa ka raha tsy mifandanja ireo na tsy mahay mandanjalanja izay mampiasa azy dia lasa ny ratsy no manjaka. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Tsy anjaran'ny Fanjakàna sy ny Eglizy samirery ny ezaka hampandroso ny olona sy hahay hikirakira ny teknôlôjia fa manana anjara ihany koa ny tsirairay miainga ao an-tokantrano izay fiangonana fototra. Mahasarika tanora maro ny fitaovan-tserasera lasa sampy ho an'ny hafa izany hoe toy ny Andriamanitra mihitsy. Tsy ireny anefa no ratsy fa ny fitiavana azy tafahoatra no maha ratsy azy. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco